Aminβny maha Fikambanam-behivavy miahy ny Vehivavy tantsaha Malagasy ny Fikambanana FARM na ny Femmes en Action Rurales de Madagascar dia anisanβny tsy ataony ambanin-javatra ny fanomezana fiofanana ireo Mpikambana ao aminy mba hirosoana hankany aminβny tsaratsara kokoa.
Fantatra fa efa faritra maro manerana ny Nosy no efa nanatanterahana fiofanana marolafy, mifototra indrindra aminβny fampandrosoana ifotony, fizarana fahaiza-manao, fizarana trai-kefa sy hai-zatra aminβny fahaiza-mitarika, mba ho vehivavy mahavita tena aminβny lafiny rehetra ny Mpikambana tsirairay
Tonga nampiofana izany ny teknisianina matianina eto anivonβny Farm, Ramatoa Ny Hasina ANDRIANTSEHENOMAMONJY, fiofanana naharitra adim-pamantaranandro 4 teo ho eo.
Hita taratra fa mahaliana ny Mpikambana ity fiofanana ity, satria ankoatry ny nanovozam-pahalalana maro, dia nahafahana nifankafantatra misimisy kokoa eo anivonβny samy mpikambana, ny fangatahanβireto andiam-bevivavy mpikambana ireto moa dia ny hitohizanβny fiofanana tahaka izao.