Ny vehivavy tantsaha dia mitana anjara toerana lehibe amin’ny famokarana ara-tsakafo sy ny fitantanana ny tany, nefa matetika tsy manana zo mazava amin’ny fananantany. Ny fanomezana fampiofanana momba ny fananantany dia:
Manampy azy hahalala ny zony ara-dalàna, hahafahany miaro sy mitaky izany;
Mampitombo ny fahatokisan-tena sy ny fandraisany anjara amin’ny fanapahan-kevitra ao amin’ny tokantrano sy ny fiaraha-monina;
Manatsara ny fidiram-bola sy ny fiainana ara-tsosialy, satria ny fahazoana tany dia miteraka fahafahana amin’ny famokarana sy fandraharahana;
Mampiroborobo ny fitovian-jo sy ny fandrosoana lovainjafy amin’ny sehatra ambanivohitra.
Natomboka tao amin’ny mpikambana tao Itasy ary ho tohizana amin’ny Faritra maro izay hiasan’ny FARM
—-
Rural women play a crucial role in food production and land management, yet they often lack clear legal rights to land ownership. Providing them with training on land rights is important because:
It helps them understand their legal rights, enabling them to protect and claim those rights;
It boosts their confidence and participation in decision-making, both within their households and communities;
It improves their income and socio-economic well-being, since access to land opens up opportunities for production and entrepreneurship;
It promotes gender equality and sustainable development in rural areas.
It started with the members in Itasy and will be extended to several other regions where FARM operates.