Verezin-jo sy roahina aminâny taniny ny vahoaka Malagasy mba hidiranâny mpampiasa vola vahiny sy malagasy iray tombotsoa: endrika iray isehoanâizany ny fampanofana maharitra (bail emphytĂ©otique) tsy ara-dalĂ na ny Nosy Sakatia mandritra ny 99 taona aminâny orinasa GREEN MADA LAND ary eo ambany fialofanâny âprojet prĂ©sidentielâ no anaovana izany.
Taorianâny taratasy misokatra ho anâny Filohanâny Repoblikanâi Madagasikara momba ny fampanofana maharitra sy tsy ara-dalĂ na ny Nosy Sakatia izay nametrahana fanontaniana maromaro tsy nahazoana valiny, dia hita fa tsy mbola misy fiovana ny fandehan-draharaha aminâizao fotoana izao. Ny antony dia satria mbola mitatao eo ambony lohanâireo vahoaka ny fandroahana azy aminâny taniny nohonâny fanomezanâny fanjakana alĂ lana ny orinasa vahiny GREEN MADA LAND hampiasa ny tany nivelomanâizy ireo aman-jato taona.
Tsara ny mampahatsiahy fa :
Efa ho zato taona izao ny Fokonolona no manajary, mipetraka sy mivelona ao aminâny Nosy Sakatia. Misy famindram-pitantanana ara-dalĂ na sy manankery ihany koa ireo harena voajanahary azo avaozina ao aminy (Transfert de Gestion de Ressources Naturelles) izay tantananâny VondronâOlona Ifotony RASIS ary manintona mpizaha-tany maro isan-taona.
Efa namoahana didy nanafoana ny fampanofana maharitra azony taminâny taona 2019 ity orinasa ity (ArrĂȘtĂ© N° 27 227/2019-MATP nivoaka taminâny 29 novambra 2019) nohonâny tsy fanarahany ny dingan-dĂ lana voalazanâny lalĂ na. Izao indray anefa dia nahazo fifanarahana sy alĂ lana hanofa ny Nosy Sakatia mandritra ny 99 taona ny orinasa ary tsy mazava ny fomba nahazahoany izany.
Tsy nisy fampahafantarana ho anâny mponina ao Sakatia ary tsy fantatra mazava ny mikasika ity orinasa GREEN MADA LAND ity sy ny tomponâny petra-bola ao anatinâny orinasa. Anaovana tery vay manta hanaiky sy hifampiraharaha aminâny mpangorona ny taniny ny vahoaka ao Sakatia ary rehefa tsy manaiky dia arangaranga hatrany fa tetikasanâny filoham-pirenena (projet prĂ©sidentiiel) izany. Koa averina indray ny fanontaniana hoe : amboninâny lalĂ na rehetra sy ny tombontsoam-bahoaka izay efa mivelona eo aminâny taniny aman-jato taona ve izay lazaina hoe tetikasanâny filoham-pirenena na âprojet prĂ©sidentielâ?
Tsy omena ho hitanâny mponina ao Sakatia voakasika mivantana ny ao anatinâilay fifanekena bail emphytĂ©otique 99 taona niarahanâny orinasa sy ny solontenam-panjakĂ na nanasonia, manamafy ny ahiahy izany. Ny bail emphytĂ©otique nosoniavinâny orinasa GREEN MADA LAND sy ny FanjakĂ na malagasy taminâny taona 2016 dia marihina fa « Zato ariary isaky ny m2 isan-taona » no hofanâny tany naloanâny orinasa raha ny hita tao anatinâny fifanarahana izay efa niparitaka. Tsy ny fampandrosoana ny faritra voizina fa antony nametrahana ity orinasa ity no hiseho fa ny mifanipaka aminâizany tanteraka. Etsy ankilany ihany koa ny vahoaka dia voahitsakitsaka tanteraka ny zony aminâny tany, ny zony ara-kolontsaina, ny zony ara-tsakafo, ny zony hanana fonenana sahaza, ny zonâny zaza hianatra sy ireo zo hafa rehetra mety hifandraika aminâireo voalaza ireo sy ny fahaverezanâny foto-pivelomany.
Ankehitriny dia tsy misy valiny avy aminâireo tomponâandraikitra samihafa anivonâny Fanjakana mikasika ity raharaha ity na dia maro aza ny ezaka fanairana sy fifanatonana natao. Miaina anaty ahiahy tanteraka ny mikasika ny ho aviny ny mponina ao Sakatia aminâizao fotoana izao.
Noho izany indrindra izahay manao sonia ity fanambarana ity dia miray hina tanteraka aminâny Fokonolona ao aminâny Nosy Sakatia aminâny fanaovana antso avo mikasika ny ireto manaraka ireto:
– Fanafoanana ny fampanofana maharitra (bail emphytĂ©otique) navadika ho âprojet prĂ©sidentielâ izay natokana ho anâny orinasa GREEN MADA LAND;
– Fanomezana lanja sy fanohanana ireo ezaka efa nataonâny Fokonolona hatraminâizay aminâny fiarovana ny harena voajanahary sy ny fampandrosoana ny fizahan-tany eo an-toerana aminâny alalanâny âtourisme communautaireâ;
– Fankatoavana ny zonâny Fokonolona aminâny tany izay efa najariany aman-jato taona izay mifatotra tanteraka aminâny kolontsainy sy ny fomba amam-panaony;
– Tsy fanaovana didiko fehy lehibe sy fanerena ny Fokonolona fa kosa fangaharaharana sy fampahafantarana ary fanaovana teny ierĂ na aminâny Fokonolona mialohanâny fandraisana fanapahan-kevitra sy fanatanterahana ny asa rehetra mikasika ny Nosy Sakatia;
– Fitsinjovana ny tombontsoanâny mponina an-toerana aloha vao ny tombontsoanâny olom-bitsy;
– Fandraisanâandraikitry ireo notoloram–pahefĂ na isanâambaratonga izay nametrahana fitokisana ary manana tamberinâandraikitra aminâny vahoaka izay antoky ny filaminana sy ny fandrosoana lovain-jafy. Voakasika aminâizany ny Fiadidianâny Repoblika izay nametraka ilay âprojet prĂ©sidentielâ, ny Fitsarana izay mitsara ny raharaha ankehitriny, ny Solombavambahoaka izay tokony ho mpiaro voalohany ny tombontsoanâny vahoaka anatinâny fari-piadidiany, ny Ministera samihafa voakasika (indrindra ny Ministeranâny fananan-tany, ny Ministeranâny tontolo iainana ary ny Ministeranâny fizahan-tany) ary ihany koa ireo tomponâandraikitra ifotony rehetra anivonâny Kaominina sy ny Distrika ary ny Faritra.
Antananarivo faha-25 Septambra 2023
âą Centre de Recherches et dâAppui pour les Alternatives de DĂ©veloppement â OcĂ©an Indien (CRAAD-OI)
craad.madagascar@gmail.com ; http://craadoimada.com
âą Fikambanana TANY miaronytany malagasy – Collectif pour la dĂ©fense des terres malgaches â TANY
patrimoine.malgache@yahoo.fr; www.terresmalgaches.info; TANY; @CollectifTany
âą Initiative conjointe TAFO MIHAAVO â Natural Justice, https://tafomihaavo.org, https://naturaljustice.org
âą FÍeÍmÍmÍeÍsÍ ÍeÍnÍ ÍAÍcÍtÍiÍoÍnÍ ÍRÍuÍrÍaÍlÍeÍ ÍdÍeÍ ÍMÍaÍdÍaÍgÍaÍsÍcÍaÍrÍ Í(ÍFÍAÍRÍMÍ)Í Í-Í Ífarmmadagascar@gmail.com | www.farm-madagascar.org
âą RĂ©seau des Jeunes pour le DĂ©veloppement Durable (RJDD) – rjdd.madagascar@gmail.com; https://web.facebook.com/RJDDMadagascar