Miroborobo tokoa ny asa fihariana ataon'ireo Vehivavy Mpikambana ao amin'ny Fikambanana FARM aty amin'ny Faritra Vatovavy, izany hoe ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Andona sy Kaominina Ambanivohitra Andonabe.
Ho famporisihina azy ireo, dia nozaraina Fitaovam-pamokarana izy ireo, fitaovam-pamokarana izay nahitana siny fanondrahana, angady, lapelina, sy ny maro hafa koa, ka tonga nanolotra izany tamin'ny anaran'ny Fikambanana Ramatoa RAVONIARISOA Hantanirina Lilia izay Filoha Mpanorina ity Fikambanana FARM Madagascar ity.
Ankoatry ny famatsiana fitaovana tahaka izao, dia misy ihany koa ny fanomezana fampiofanana ireo Vehivavy tantsaha ireo, ka Mpampiofana matianina amin'ny resaka fambolena no irahin'ny Fikambanana mampiofana azy ireo.
Ankafaliana no nandraisan'ireo vehivavy Mpikambana ireo izany fitaovana izany, kanefa mbola mangataka fampiofanana bebe kokoa izy ireo entina mampitombo ny fahaiza-manao hananany.
Fantatra fa ity fampitaovana ity dia tan-tsoroka fanampiana avy amin'ny Tetik'asa π£ππ¦πππ β (ππππππ‘ πΌππππ£πππ‘π ππ ππ πππππΜπ‘πΜ πΆππ£πππ ππ‘ πππ πΆπππππ‘ππππ πππ π΄ππ‘ππ’ππ )
Nirary raha nirary ireo Tantsaha ireto ny hitohizan'ny fanampiana sy fampiofanana omena azy ireo.