Miatrika atrik’asa momba ny « fiandrianana ara-tsakafo sy ny fambolena maharitra » ireo solotenan’ny fikambanana FARM Madagascar sy ny Réseau des Jeunes pour le Développement DurableRéseau des Jeunes pour le Développement Durable – MadagascarMadagascar eto Madagasikara nanomboka omaly Talata 10 Oktobra hatramin’ny rahampitso 12 Oktobra 2023.
Omaly no namoaboasana ny mahakasika ny fiandrianana ara-tsakafo, ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro amin’ny fambolena sy fiompiana, ireo Zo ara-tsakafo ary ireo Zo manokana ananan’ny Tantsaha.
Anio dia mpampiofana eo anivon’ny GSDM no hifampizara fahaiza-manao momba ny « Agroécologie et transition écologique » ahafahana mijery vahaolana miaraka amin’ny Tantsaha sy ny rafitra rehetra mitolona ho an’ny fampandrosoana maharitra.
Izao atrikasa izao dia natao anombohana amin’ny fomba ofisialy ny hetsika fanentanana sy fampahafantarana momba ny Fiandrianana ara-tsakafo.
« Ny Tany no mamelona ny vahoaka, andao takiana ny fiandrianana ara-tsakafo ».