Ny Talata faha 24 volana Desambra 2024 lasa teo, dia nirodorodo nanatanteraka fambolena teo amin’ny tanin’ny Fikambanana manokana , etsy FKT Morondava, Distrika Avaradrano, ny Fikambanana Farm eto Analamanga, notarihin’i Ramatoa Filoha ny Farm Analamanga Ramatoa RAVEROMPIONONA Jean Narivony.
Vary, katsaka, tsaramaso no nambolena tamin’izany, ary tanety mirefy 1h teo ho eo no nanatanterahana ny fambolena. Tonga marobe tokoa ireo Mpikambana nanatanteraka ity fambolena niarahana ity, tsy ny Fikambanam-behivavy Farm ihany anefa no tonga, fa nisy ihany koa ireo lehilahy vadin’ny Mpikambana nanao tan-tsoraka nanampy ireo vadiny; ka izy ireo no niandraikitra ny fiasana ny tany, ny fampiasana ny omby nitondra ny angadin’omby. Izany rehetra izany dia natao tao anatin’ny hafaliana avokoa.
Ho fanampin’ny fampidirambola entina hampandrosoana sy hampiroboroboana ny fikambanana no antony nanaovana izao andraniny, fa ankilany kosa dia natao indrindra izao hanehoana ny firaisan-kina eo amin’ny samy Mpikambana, tsy dia natao hoe hiasa na loatra moa ity hoy ny Mpikambana iray izay sendra anay, fa sady natao ho fisin-tahana kely amin’ny fiainana andavan’andro ihany koa.
Eto ia miray fety sambatra ho antsika ny FARM Madagascar